1 Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra , aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra .

2 Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany.

3 Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy.

4 Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely.

5 Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao,

6 Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita,

7 Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro.

8 Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo. 

9 Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona;

10 Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy.

11 Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona,

12 Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra.

13 Andriamanitro , ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra,

14 Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra;

15 Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao.

16 Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah .

17 Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy.

18 Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra.
